Réussir votre élevage : Formation pratique

Réussir votre élevage : Formation pratique

2d
Ianao ve efa sendran’ny biby fiompy tsy mety nitombo mihitsy nefa ny vola mandeha ihany?
IRETO MISY TEKNIKA HANAMPY ANAO
Antony maro no mety hahatonga ny biby iray ho ratsy fitombo, izay miteraka fatiantoka lalina, ka izay indrindra no ho resahantsika eto fa maro no fay noho ny tsy fahafantarana
———————————–
1. Zava-dehibe indrindra dia ny tsy fahampian’ny fikarakarana ara-teknika, indrindra ny tsyfanaovana fanafanana ho an’ny zanakisoa na zanakakoho sns dia tena mahatonga ny biby ho ratsy fitombo io
2. Ny fivadian’ny biby mpihavana, izay tena loza mitatao ho an’ny famokarana satria miteraka voka-dratsy maro ho an’ny fiompiana io.
Ny akoho gasy no tena voan’izy io, ny trondro, ary ny kisoa sns
3. Ny sakafo ary ny fikarakarana ara-pahasalamana dia kendreo mba ho araka ny tokony ho izy avokoa fa ireny mitambatra no miteraka ny fahombiazana
4. Jereo tsara ity, ho an’ny mpiompy kisoa dia fantaro fa tokony ho 12kg ny zanakisoa eo amin’ny faha iray volana sy tapany ary farafaharatsiny dia tokony tsy ho latsaky ny 8kg ny kisoa vazaha
Antony hiresahantsika ireo rehetra ireo dia maro be ireo mpiompy fa tsy miraharaha ireo dia vokany, ratsy ny vokatra
Aza hadino, andeha hanao DEFI hanangana fiompiana tena mahavelona miaraka aminay anatin’ny tetikasa « Développement des Élevages Familiales vers l’Intensification »
ANTANANARIVO
Ny Alatsinainy 21 – 22 – 23 24 Oktobra 2024
ANTSIRABE
Ny Alakamisy 07 – 08 – 09 Novambra 2024
Aza misalasala mifandray tompoko raha te hanangana ny fiompiana tena ho asa fivelomana ianao
Misokatra hatrany kosa izahay raha mila fanampiana manokana ianao
Mpiaramiasa:
_ Tranombarotra LIDA Anosibe
_ DEFI – Développement des Élevages Familiales vers l’Intensification
_ Malagasy Mandroso

Sehatr'Asa Fiompiana Matihanina

Les commentaires sont fermés.