Catégorie dans Conseils pour entrepreneurs

5 hours ago
Lohahevitra folo(10) hanampy anao hamorona fidiram-bola vaovao na hanangana asa
.
1. Fambolena sy fiompiana
Fambolena legioma, voankazo sns ary fiompiana isan-karazany… dia mivarotra ny vokatra eny an-tsena.
2. Fanaovana sakafo
Famokarana sakafo toy ny mofomofo, tsakitsaky sns na zava-pisotro vita gasy fa mbola manana tsena malalaka ny sakafo eto amintsika
3. Fanaovana asa tanana
Fanamboarana harona vita amin’ny raphia, kitapo vita amin’ny zava-maniry, akanjo nentim-paharazana, na firavaka vita tanana. Ireo vokatra ireo dia azo amidy amin’ny toeram-pivarotana na amin’ny mpizahatany.
4. Inona avy ny zavatra hainao?
Miainga amin’ny zavatra hainao, dia azonao trandrahana hamoronana fidiram-bola avokoa, na hanolorana servisy na famokarana
5. Varotra
Fananganana fivarotana mivarotra zavatra ilaina andavanandro na koa fivarotana vokatry fiompiana sy fambolena na vokatra hafa
6. Fanomezana tolotra sy servisy
Asa fanadiovana trano, fanasàna lamba, fanamboarana fanaka, fikarakarana sns
7. Fampanofàna fitaovana
Raha manana fitaovana manokana, toy ny milina fitotoana, motera na fiara sy moto, tany sns dia azo atao ny mampanofa azy ireo amin’ny olona azo antoka mba hampidiram-bola
8. Famadihana ireo zavatra tsy ilaina an-davan’andro
Ohatra, ny taim-biby avy ao amin’ny fiompiana na potika fako an-dakozia dia azo hamokarana zezika bio ka iny no varotina na biogaz
9. Fanokafana toeram-pisakafoana
Fanokafana toeram-piosakafoanana, arakaraky ny filan’ny olona eny amin’ny toerana misy anao
10. Fitanterana
Raha manana fiara, sarety, bicyclette sns dia azo atao no manokatra tambazotra mpitatatitra na manolotra service fitanterana
Ny fisafidianana ny asa mety dia tokony hanaraka ny zava-misy eo amin’ny faritra misy anao, ny fahaiza-manao, ny filan’ny tsena eo an-toerana ary ny fanadihadiana hitanao manokana
Mety ho kely ny vokatra ny amin’ny voalohany, saingy zava-dehibe ny fanombohanao sy ny fiezahana
Torolalana fotsiny ihany ireo, nefa hinoana fa hanampy anao hanao zavatra na hahita hevitra vaovao
_Mpampiofana: Malagasy Mandroso
_Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA