11 hours ago
Cours d’allemand miaraka amin’ny Honey Group
Maro isika no nanontany koa Tonga Ary ity ny fotoana.
Cours d’allemand niveau A1 sy A2 amin’ny sarany mirary hatrany
Koa aza Tara Ary fa voafetra ny Toerana
Raha Mila fanazavana fanampiny Dia mandefasa mp amin’ny pejy na antsoy ny :
033 11 760 56
038 51 290 80
« früh steh auf, wer ein Meister werden will ».
#Honeygroup
#coursallemand
« Fabriquer du fromage à la maison: Le guide complet »
Malagasy Mandroso
20 hours ago
Andeha indray àry hanamboatra fromage isika e. Raha arahanao tsara ireto torolalana ireto, dia hahavita fromage tsara tarehy ianao ary hiafara hatramin’ny fanànana orinasa mpanodina ronono mihitsy
ZAVATRA ILAINA
Vilany sy afo
Lasitra misy lavadavaka madinika
Voaly (apetraka mialoha ao anaty lasitra vao arotsaka ny fromage)
Presse na zavatra mavesatra hanindriana azy
Spatule hazo
Sotro hazo
Ary Passoire
FATRA
Ronono velona 2 litatra
Ranona voasary makirana: 4 sotro fihinana,
Yaourt nature : 2 sotro fihinana
Sira: 2 sotro kely
Indro homenay anao ny tsiambaratelon’ny fanamboarana anazy:
———————————-
1. Afanaina ho 70- 85°C ny ronono na afaka atao bain marie
2. Rehefa vita izay dia avela hihena ho zakan’ny tanana ny hafanan’ ny ronono dia arotsaka ny yaourt sy ny ranona voasary makirana aorian’izay. Aroina tsara aveo dia avela hilona mandritra ny 20 minitra hatramin’ny 30 minitra eo
3. Rehefa mivadika ny ronono, izany hoe misaraka ny vaingany sy ny ranony dia aroina indray mande mba hisaraka tsara dia tatavanina hanasarahana ny rano sy ny vaingana ronono
4. Ilay vaingana ronono iny no rarahana sira dia aroina tsara, ary alefa ao anaty lasitra aveo ka tsindrina zavatra zavatra mavesatra tsara aveo mba hahazoana fromage mafy tsara. Avela eo mandritra ny 6ora.
5. Rehefa tapitra ny 6ora dia esorina tao anaty lasitra ny fromage ary avela mipetraka amin’ny toerana maina sy mangatsitsiaka ao atrano.
FANAMARIHANA
Afaka 24ora aorian’izay vao efa azo ohanina tsara amun’izay izy
Arakaraka ny maha ela ny fotoana hipetrahany vao maika hampiova ny tsirony ho tsara
Tsara kosa anefa, raha mba avadika isan’andro izy mandram-pahamainany tsara
DIA VITA TOMPOKO NY FROMAGE, IRETO IHANY KOA NEFA MBOLA MISY KARAZANY HAFA AZONAO VOKARINA:
Gouda simple
Gouda local
Gruyère
Cheddar
Tome
Saint paulin
Mozzarella
Raclette
Camembert
Fromage fondu
Ary ireo fanodinana hafa maro be
Izay hoentinay manokana ho anao anaty Fiofanana matihanina + pratika:
ANTANANARIVO, NY 7 OKTOBRA 2024
—————————
FANODINANA SOJA, NY 08 OKTOBRA
Mandroso raha te hahomby tompoko, dia manontania anay raha misy hanampiana e
_ Malagasy Mandroso/0345006789
_ Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA
« Recettes Malgaches : Partagez vos secrets ! »
Rehefa inona ianareo no mampiasa azy itony?
Nahandro Gasy Tsara
#ndao_hizara
sary indrana
a day ago
Découvrez une Formation Pratique de Charcuterie
TSY HAMIDY fa fifanampiana ka izay hafalim_ponareo no ankasitrahana
Tena tsara foana ny mahay mahandro indrindra ho antsika vehivavy
Tsy voatery handany vola be hianatra ahandro nefa fa hampiasao ny boky zaraiko ato amin’ny tambazotra.Manoro anao ny kely indrindra ka hatraminy lehibe indrindra mba hatsiro sy ho aram_pahasalamana foana ny sakafonareo mianakavy kely
Mandefasa ary MESSAGE mivantana aty amiko hoe ´´SAKAFO ´´ fa hahazo daholo ianareo!
+8