Catégorie dans Curiosités

Randriamahasahana Edson
16 hours ago
Inona marina moa no nahatonga ireto kisoa ireto hiova fiaina ho toy ny trondro ka hivelona anaty ranomasina?
Ao amin’ny Nosy iray antsoina hoe Big Major Cay any Bahamas no misy azy ity, malaza eran-tany ny toerana.
Ny Nosy Big Major Cay dia toerana iray tsy misy olona mipetraka, ary mbola fanontaniana mipetraka hatramin’izao moa ny hoe ahoana no nampisy kisoa teo amin’ilay toerana?
1. Tsy misy mpikarakara sy mpanome sakafo manokana ireto kisoa ireto noho izany ka mamelo-tena irery
2. Rehefa misy sambo mandalo dia tonga milomano manatona ireto kisoa mba hijerijery sakafo milatsaka
3. Mahavariana ireo sambo moa na ireo mpizahantany ny mahita ireto kisoa mitady izay mahasoa ka ao ireo manimpy sakafo kely isak’izay mandalo
4. Namporisika indrindra ireto kisoa hamelon-tena sy hikarama mafy ny fahazoana izany bôjibôjy kely isakin’ny mandeha ka nataon’ireto farany lalakitakisoa ny filomanosana anatin’ity ranomasina ity no mijoboka avy hatrany vantany misy mpandalo
5. Taitra ny manodidina, variana ny mpandalo, te hoany izay mahare fa misy kisoa manao vakansy tsy tapaka, hono, any ka milomano an-tsisin-dranomasina no atao raharaha…
6. Lasa toerana malaza ary ity toerana ity amin’izao fotoana ka maro be ireo olona tonga hitsidika, haka sary, hiala voly, hilomano miaraka amin’ny kisoa sns
7. Teo vao gaga ny manodidina fa ilaina ireto kisoa, mampidi-bola ary tsiriritin’ny olona maro ka nokarakaraina, nomena sakafo, nomena fanafody sns ka lasa ho toeram-pitsidihana malaza ny Nosy kely ankehitriny noho ireo kisoa, fa tsy hoe kisoa manao vakansy akory
mpanome fahafinaretana ireo mpanao vakansy izy eto
MANAHOANA NY FIETSEM-PONAO AMIN’NY ZAVATRA ATAON’ILAY KISOA LAHY SY VAVY IRETO?
—————————————-
Azo hampidiram-bola tsara ihany koa ilay ao aminao ao amin’ny alalan’ny fiofanana fahaiza-mamokatra ato aminay
MIRARY ERINNDRO FINARITRA TOMPOKO!
_Mpampiofana: Malagasy Mandroso
_Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA