Catégorie dans fiofanana amin’ny fiompiana

4 hours ago
Fantatrao ve fa raha manana ronono 1litatra sy voasary makirana iray monja ianao dia efa mahavita fromage sy dobera ary crème fraîche tsara lavitra noho ireny amidy amin’ny tsena lehibe ireny?
Akoatr’izany dia azo atao koa ny miompy kisoa, akoho, omby vavy beronono sns … manarapenitra tsy mandany vola firy !
Ifehezanao izany ao anatinny fotoana fohy àry dia mahafaly ny Association Fleur Bleue ny manasa antsika rehetra hanaraka ny fiofanana izay hatao eto Amin’ny Les Fioretti Andranonahoatra Antsirabe akaikin’ny Marokana ny Zoma 27 sy Sabotsy 28septembre amin’ny andro mampalalaka anao arak’izao lamina izao:
Isaky ny amin’ny 8h30:
Fromage 1:
Fanamboarana fromage au citron ilay fromage tsara indrindra erantany sy fromage dur, fromage fondu,crème fraîche ary dobera
Amin’ny 10h30:
Fromage raitra:
Fanamboarana fromage camembert, gouda, ary mozzarella
Amin’ny 1ora tolakandro:
Fanamboarana glace sy esquimaux au chocolat
Aminny 2h30: fanamboarana yaourt isankarazany, flan ary ronono mandry mamy.
Ny fiompiana kosa dia:
Amin’ny 8h30:
Fiompiana kisoa vazaha atavizina ao anatinny 3volana monja
Amin’ny 10h30:
Fiompiana kisoa gasy atavizina ao anatinny 4volana monja raha heritaona izany teo aloha
Amin’ny 1 ora :
Fiompiana akoho gasy nohatsaraina afaka mitaranaka 100mahery isan-taona ny akoho iray
Amin’ny 2h30:
Omby vavy be ronono afaka mamokatra ronono 20- 40 litatra isan’andro ary miteraka isan-taona.
Sarany:
20000 isaky ny andiampiofanana raha aloanao transfert mialoha amin’ny mvola amin’ny O341591925 fa miakatra ho 30000 ariary mandritra ny fiofanana
Aorian’ny fiofanana dia afaka miasa avy hatrany ianao ary hotolorana attestation izay mila izany!
Filan-kevitra:
O341591925
O331966730
« Araraoty, misorata anarana malaky fa Tsy mbola nandiso fanantenana anao ny Association Fleur Bleue hatramin’izay 25 taona nampiofanany satria izay tia fiofanana tsy maintsy mivoatra »

September 5 at 6:15 PM
Ny fanomezana hasina tongologasy 1 ho an’ny akoho kely dia manala ny kankana ao anatiny
FAMPIASA AZY: Potehina dia kakàna azy
Hasiny 2 ho an’ny vantony ary hasiny 3 ho an’ny akoho lehibe
———————————
FANAMARIHANA:
Azo atao no manome ny akoho hatramin’ny indray na indroa isan-kerinandro mba ho azo antoka fa salama tsara tsy hisy kankana ny akohonao
Fantaro, ny tongolo gasy dia anisan’ny antibiotika ihany koa izay miaro ny akoho amin’ny aretina
INDRO MAHAFALY ANAY KOSA NY MANOLOTRA FIOFANANA HO ANAO HANANGANA TETIKASA FIOMPIANA
ALATSINAINY 23 SEPTAMBRA
Fiompiana akoho gasy 10 + taona 1 = 1 000
TALATA 24 SEPTAMBRA:
Fiompiana kisoa maro anaka, hanomezanay anao ny secret’ny fanatavezana sy famoronana sakafo
ALAROBIA 25 SEPTAMBRA:
Fiompiana akoho manatody lava, hahafahana manenjika taham-panatodizana lavi-trezaka indrindra
ALAKAMISY 26 SEPTAMBRA
Fiompiana poulet de chair, 30 andro dia 2kg sy sasany
AORIAN’NY FIOFANANA, DIA:
Hisy pratika, hampiofanana ny tsirairay
Fitsidihana Ferme Vaventy
Fanaraha-maso mati-paika
Ary fanampiana amin’ny lalambarotra
Azo hivelomana tsara ny fiompiana tompoko, raha manana teknika mahomby ianao
MPIARAMIASA:
_Tranombarotra LIDA Anosibe
_Malagasy Mandroso/034 50 067 89