Catégorie dans Mpampiofana

Vatan’akondro tsara: Teknika ampiharana sy famokarana ae261

6 days ago
ATAOVY ITY RAHA TE HAMADIKA NY VATAN’AKONDRO HO VOLA IANAO
Mety efa naheno ve ianao fa azo hamokarana sakafo tsara ny vatan’akondro? Ankoatry ny fampiasàna azy ho sakafom-biby sns dia azo hamokarana SHIPS matsiro ihany koa izy
INDRO OMEKO ANAO NY TEKNIKA
———————————————
Esorina ilay hoditra vatan’akondro malamalama iny, mba hahazoanao ilay izy makarakara no ilaina
Silahana ary tetehina araka izay hitiavanao azy aveo
Halòna ranon-tsira rehefa izay mandritra ny 50minitra eo ho eo, rano mangatsiaka
Vita izay dia tsihifina hiala ny rano aminy, ka fafazana lafarinina manify aveo (afaka hakifika kely izy raha toa ka matevina ny lafarinina)
Hataingina ny menaka ka arotsaka izy hendasina, dia mazotoa homana àry e rehefa masaka ny nahandro fa afaka aroso avy hatrany izy aorian’izay rehetra izay
FANAMARIHANA
Raha tianao hatsaraina ny tsirony dia azo atao no manampy azy épices samihafa araka izay hitiavanao azy
Raha ho tehirizina maharitra dia atao anaty sachet izy mba tsy ho azon’ny rivotra
MIRARY SOA HATRANY TOMPOKO
Hasaiko ianao hizara sy hanaraka ny Pejy raha mety mahasoa tompoko
– Mpampiofana
Malagasy Mandroso
– Mpiaramiasa
Tranombarotra LIDA Anosibe
– Mpanolotra
Randriamahasahana Edson