51 minutes ago
Rehefa tojo olana enao, mafy ny ady zay atrehinao, mahatsiaro ory lalina
De ny vahaolana tsara indrindra de manamafy ny vavaka
Mahereza fa tsy hamela irery anao izany Jesosy,
Ny andrasany amiko sy aminao fotsiny de ny miaiky fa tsy afaka manao na inona na inona
Mila an’i Jesosy hanafaka amin’ny alalan’ny vavaka fitalahoana izay ataontsika.
Le poids du jugement : un appel à la réflexion
about an hour ago
FAHAMARINANA MIKASIKA NY FITSARANA
Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? – 1 Korintiana 5 : 12
Fa ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra. Noho izany, esory aminareo izany olon-dratsy izany. – 1 Korintiana 5 : 13
-Misy ny zavatra natokana hotsarain’olona ary misy ny zavatra natao hotsarain’Andriamanitra.
-Zavatra ilaina manoloana ny zavatra rehetra ny fitsarana.Na amin’ny aranofo na amin’ny arapanahy.
-Tsy hiseho izay tsara sy izay ratsy raha tsy misy ny fitsarana.Ny fitsarana no mampionona izay nanaovandratsy ary koa mampifaly sy mampahery izay olona manao ny tsara.
-Ny fitsarana no hahatonga ny olona nanao ratsy hahazo izay zavatra tena sahaza azy.Ary koa hahatonga ny rariny sy ny hintsiny ary ny fahamarinana hanjaka.
-Tena ilaina ny fitsarana eo an’ivony fiaraha-monina sy ny fiangonana.
Ny mpaminany sy ny mpanjaka teo anivon’ny zanak’Israely dia nolazaina fa nitsara ny Israely.Ary nisy ny mpitondra teo amin’ny zanak’Israely izay natsoina mihintsy hoe:’Mpitsara’
-Andriamanitra dia tsy manohitra ny fitsarana fa kosa mitaky ny hanaovana fitsarana marina sy aradrariny.Ary koa mba olona izay tena mendrika no hitsara.
Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. – Jaona 8 : 7
-Jesosy dia tsy nilaza hoe:’tsy azo tsaraina ilay vehivavy tratra nijangajanga na hamela azy fotsiny amin’izao tsy tsaraina fa kosa mba olona tsisy ota no mahazo mitsara ilay vehivavy.
Jesosy dia tsy niteny na nampianatra olona mihintsy hoe:’Aza mitsara fa avelao eo foana ny olona hanao ratsy sy hanimba ary hanampotika ny hafa fa andraso izy hotsaraina amin’ny fitsarana farany na andraso tsarain’Andriamanitra!’
Hoy Jesosy hoe:’Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina. – Jaona 7 : 24
Mahazo mitsara fa manaova fitsarana marina.
-Tsy hilamina ny fiarahamonina tsy misy fitsarana.Tsy hilamina ny fiangonana tsy misy fitsarana.Ilaina ny fitsarana eo anivon’ny fiangonana.
-Hitombo ny faharatsiana sy ny fahotana ary koa ny fahasimbana raha tsy misy ny fitsarana.
-Mampirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra ny fiangonana tsy misy fitsarana ny mpino sy ny mpanota fa mamela malalaka ny mpino sy ny pasitera ao aminy hanota sy hanao adalana.
Na dia izany aza dia manan-javatra vitsy hanoherana anao Aho, satria mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela ianao, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hanao fahavetavetana sy hihinana zavatra naterina tamin’ny sampy. – Apokalypsy 2 : 20
Nanohitra ny fiangonany tany Tyatira Jesosy satria izy ireo tsy nitsara ireo pasitera mijangajanga sy manao fahavetavetana.Namela azy ireo hanompo foana ary hampijangajanga ny fiaingonana,ny mpino sy ny tanora.Hitohy hanao adalana ao ampiangonana foana.
Tokony tsaraina ny mpino sy Pasitera ao ampiangonana fa tsy hiteny fotsiny isika hoe:’Anazy sy Tompo,na azy sy Jesosy izany fa avelao eo fona izy hanao izay tiany atao…Jesosy ,Andriamanitra no hitsara azy…sns,
-Misy ny fitsarana izay andrasan’Andriamanitra mba ataon’ny olony sy ny fiangonany
Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? – 1 Korintiana 6 : 1
Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha izao tontolo izao aza no hotsarainareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? – 1 Korintiana 6 : 2
Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao? – 1 Korintiana 6 : 3
Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? – 1 Korintiana 6 : 4
-Ny fiangonana,ny mpino, dia tsy tokony ho mpivavaka sy mpihaino tenin’Andriamanitra fotsiny fa tokony ho mpitsara.Hitsara izay mpino manota ao ampiangonana,hitsara ny pasitera manota sy manao adalana.Hitsara ny zavatra tokony hotsaraina ao anatin’ny tokatrano.
Misy zavatra izay efa nolazain’Andriamanitra mazava ao anaty baiboly fa tokony hotsaraintsika ary hanaovantsika fitsarana.
Ny fanaovana fitsarana ny mpanota ao ampiangonana no mampitsahatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.
« Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; dia nitsahatra ny areti-mandringana. » – Salamo 106 : 30
-Mihanaka ny faharatsiana,mitombo ny fijangajangana sy ny fahotana eo anivon’ny fiangonana maro satria tsy misy ny fitsarana marina.Manjaka ny tsy rariny,afa maina izay manao ratsy sy mamotika fiainan’olona satria ny olona tokony hitsara dia tsy mitsara.
-Farany na dia manana fahafahana mitsara aza ianao dia aoka hitsara marina,Aoka mba tena olona marina,efa nibebaka sy niala tamin’ny fahotana vao hitsara ny hafa.
Tsy hoe:’enao mpijangajanga be ary mpanao fahavetavetana dia mahita mpangalatra ianao dia hitsara ilay mpangalatra ary hamono azy.’
-Ny fahendrena dia ianao mitsara ny tenanao aloha vao tena mahay mitsara ny hafa.
Aza mitsaratsara olona fahatana,mitsara ivelany,mitsara tsy misy fandinihina sy fanadihadiana,mitsara tsy misy porofo.
Zavatra tena tian’Andriamanitra ny hisiann’ny fitsarana marina eo anivon’ny fiaraha-monina,fiangonana,na dia eo anivon’ny mpanota aza.
Tena nankasitraka an’i Solomona Andriamanitra ary nanome azy ny zavatra rehetra raha nangataka tamin’Andriamanitra mba homeny fahaizana mitsara ny olon’Andriamanitra izy.
« Koa omeo ahy mpanomponao fo mahay mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? » – 1 Mpanjaka 3 : 9.
« Ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy nangataka ny ho ela velona, na nangataka harena ho anao, na nangataka ny ain’ ny fahavalonao, fa ny fahaizana mitsara no nangatahinao; » – 1 Mpanjaka 3 : 11
Ary na dia izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ ny andronao rehetra. – 1 Mpanjaka 3 : 13
Omen’i Jesosy fahaizana mitsara anie ianao hanaovanao fitsarana marina eo anivon’ny toerana misy anao
Mivavaha ary mangataha amin’Andriamanitra mba tena hahay mitsara ianao.
Soraty hoe:’Omeo fahaizana mitsara aho Jesosy o’
« Rencontre avec Zanahary : Bénédiction divine »
11 hours ago
Mandrampihaona indray
Zanahary hitahy
« Road Chanel Sandrof Nichah en direct »
Road Chanel Sandrof Nichah was live.
6 hours ago
Direct isaky ny Alarobia.
Dieu est fidèle.
Amen.