16 hours ago
Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Soa Kaly
!Ndao ndrayyyy ntsika mba hianatra hanamboatra tacos.
Ireto avy ary ny zvtr ilaina @ ilay pâte à tortillas zany :
1 verre ronono efa masaka
1càc karibonetra
1càc levure chimique
4 verre farine
3 càs vinaigre blanc
6 càs menaka
1 tsongo sira
Fikarakarana an’ilay pâte
Atambatra ao anaty bol lehibe ireo rehetra ireo ary afangaro tsikelikely mba ahazoana pâte somary malemy.Avela kely eo 5 mn.
Tokony ahazo boule de pâte isika ary saromana @ torchon mandritra ny 30 mn eo
Zarazaraina en boule maro² ny pâte ntsika avy eo dia fisahana @ rouleau na @ tavohangy vera
Afanaina ny lapoaly dia apetraka eo ilay pâte ntsika .Tsy avela hibotsina akory fa rehefa mahazo couleur ny côté anankiroa dia vita
Apetraho ao anaty torchon madio zay vita @ zay tsy azon’ny rivotra
Afaka asiana izay garnitures tiana ilay pâte à tortillas ntsika avy eo dia akatona tsara dia hatao @ ilay machine fanaovana panini ireny .
Ity ndray ny fanamboarana ilay sauce fromagère ao anatiny :
Atambatra ao anaty casserole ny crème fraîche liquide+fromage râpé+1càc purée d’ail +afaka ampiana sira kely (fa tandremo sao dia lasa be sira fa ilay fromage efa somary masira )
Dia sy zay ary no afaka natolotro ho anareo @ ity androany ity.Mankasitraka indrindra tompoko
!