Sakafo Vita Malagasy

Boucherie & Charcuterie Tia’nay
11 hours ago
Andao indray hianatra ahandro: « katilesy au viande hachée sy ro mazava»
Ingrédients :
Ovy
Toto-kena
Zava-maitso
Tongolo gasy
Menaka
Azonao asiana fromage, poivre, izay hanitra mahazatra anao
Foniny:
Atody
Chapelure (Afaka soloina pain raci râpé ity)
Fikarakarana :
Diovina daholo ny fangaro rehetra
Arotsaka anaty vilany ny ovy efa voadio tsara (tsy miala ny hodiny)
Andrahoina amin’ny rano mandra-pahaleminy (tsy voatery ho ritra)
Endasina ny toton-kena
Kikisana na totoina ny tongolo gasy
Rehefa malemy ny ovy dia voasana
Potserina tsara, ary alefa ao ireo fangaro rehetra, aza adino ny sira
Rehefa mitambatra tsara izay dia avoaka ilay endrika katilesy
Afanaina ny menaka
Arotsaka tsirairay ao anaty atody ny katilesy ary avy eo avadibadika eo ambonin’ny chapelure mba ho voafono tsara ka tsy hiparitaka avieo
Endasina amin’ny menaka mafana
Vonona ny laoka !
Ny ro mazava, izay ro mety aminao
Boucherie Tia’Nay :
Mahazo, en face pharmacie RN2
Analamahitsy, eo aloha kelin’ny centre médical Marie Stella
Sabotsy Namehana, akaikin’ny Poissonnerie Manda eo amin’ny arrêt bus Sabotsy.
034 25 478 47
#BoucherieTiaNay #Astuce #Katilesy #ViandeHaché

Articles recommandés

Le luosifen : un voyage culinaire épicé