2 days ago
FANDRIKA 3 TSY MAINTSY HIALANA AMIN’NY FANDRAHARANA RAHA TE HAOMBY
1- Fandrika ary hadisoana goavana ny tsy fanaovanao fikarohana mialoha momban’ny karazana mpanjifa tilianao, kendrenao hanjifa ny vokatrao.
Indraindray isika Mpandraharaha mamokatra fotsiny fa tsy mandinika mialoha hoe natao hoan’iza ity vokatra ity, inona no tena ilaivany an’io produit/ service io, mamaly tsara ny filàny ve, manahoana ny vidin’entana sahiny aloha momban’io produit io?
Ny tsy fahafantarana izany dia mahatonga anao diso kajy amin’ny zavatra marobe ohatra hoe:
-Mivarotra zavatra lafo bé any @ olona sahirana ianao
-Na mivarotra zavatra mora any @ mpanakarena..
-Mivarotra produits ianao fa tsy mamaha ny olan’ilay olona hi-proposenao azy ilay produit, tsy ilainy akory, sns…
Dia aveo ianao kivy hoe tsy mety mihitsy ity fandraharana ity, tsy natao handraharaha angamba aho kanefa olana tsotra no mahazo anao, dia ny tsy fahaizana manavaka ny olona tokony hanjifa ny vokatrao.
Rehefa fantatrao ny olona tokony hanjifa ny vokatrao, dia fantatrao ny zavatra ilainy ary hainao ny manome fahafa-po azy dia azo antoka fa afaka ahomby ny fandraharana ataonao.
Ao anaty fiofanana fananganana dia hampiarina amin’ny antsipirihiny ny karazana mpanjifa,ny zavatra ilainy,eny hatramin’ny fomba hivarotana ny vokatrao ka hatonga anao afaka hi- domine tsena.
Tsy izay ihany anefa no ilaina hampety fandraharana fa mbola betsaka izay ampianarina ao anay fiofanana fa na izany aza dia hoenarantsika rahampitso ny fandrika 2 manaraka.
Orinasa Tafatsangana sy Mandroso no tanjotsika