6 hours ago
FOMBA NATORALY FANESORANA TAVY AN-KIBO TENA MANDAITRA
Tsy mahasoa ny fananan-tsika ireny kibon-tavy ireny sady tsy mahalava velona rahateo. Rehefa be ny kibo dia mora sempotra ka mora miakatra ny tension.
ZAVATRA-ILAINA
Hasiny Tongolo Gasy 10.
Voasary Makirana 3.
Rano 2 Litatra.
FOMBA-FIKARAKARANA-AZY
Ampangotrahana anaty casserole na vilany madio tsara ny rano 2 litatra teo, ka rehefa hitanao fa tena mangotraka dia araraka ao ny hasiny tongolo efa voahofy 10 sy ny voasary makirana 3 efa voatetika ihany koa. Ka avela mandritry ny 15 minitra eo ho eo izay vao ahidina avy ambony afo, izay vao azo ampiasaina tompoko.
FOMBA-FAMPIASANA-AZY
Tsy maintsy sotroina iray vera lehibe isaky ny maraina mbola tsy nisakafo mihitsy. (Afanaina no tsara2 kokoa )
FAHARETANY-TRAITEMENT
Mandritry ny 15 andro misesy fotsiny dia lasa fisaka tanteraka ilay kibonao nisy tavy teo tompoko.
FANAMARIHANA
Marihina moa fa tsy maintsy sotroina izy mbola matimaty iny no tena tsara fa tsy avela hangatsiaka. Mazava ho azy fa rehefa lany dia manao vaovao hatrany mandrapahatapitry ny traitement tompoko. Ho fanampiny dia mila misotro rano tsotra 1,5 L isanandro.
ZARAZARAO MBA HO HITANY NAMANA HAFA IHANY KOA ITY TOROHEVITRA MAHASOA ITY TOMPOKO
Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavan-tsoa sy mahaliana isanandro ianao
Kitiho ilay soratra mangakely ery ambony indrindra dia tafiditra ianao merci
Lydia Tsiafera Gasy