Sakafo Vita Malagasy

a day ago
RECETTE FANAMBOARANA CRÈME AU BEURRE AMÉRICAINE AUTHENTIQUE( FANAOVANA DÉCORATION ROSETTE SY GLAÇAGE)
indray no zaraiko aminareo eto anio, izy ity moa dia crème au beurre faran’izay tsotra,tsy mandany ary fanaovana couverture, glaçage cake design mihaja rehetra,inratable izy izany hoe tsy hatahorana tsy mety, lissage parfaite
Satria vrai crème au beurre no resahina dia mazava ho azy vrai beurre koa no ilaina eto fa tsy margarine végétale vita avy amin’ny menaka toy ny jadida,ona,Evet, goldina,floragold, sunshine sns…ireny akory
Raha mampiasa karazana margarine végétale ianao fa tsy vrai beurre vita avy amin’ny rononon’omby ka antsoinao hoe crème au beurre ilay crème vitanao dia manao trucage ianao sady mamitaka, ny pâtissiers sasany na dia efa margarine végétale izao aza no ampiasainy satria ireny no mora dia mbola sahy miteny ihany ilay mpanao gâteau sasany fa hoe crème au beurre no nampiasainh,ny mpanjifa koa mora fitahina satria hatramizay misy tsy mahay manavaka ny crème au beurre sy ny crème margarine akory nefa mividy portion lafo ihany, andramo aloha ilay vrai crème au beurre mampiasa vrai beurre dia ampitahao fa tsy hitovy mintsy na tsiro na texture….
Ny hahafantarana fa crème margarine io dia matsaboka, mahatofoka sady mahamonamonaina, mampaloiloy mihintsy vao mihinana azy misimisy ianao, ahitsiko mintsy satria misy olona milaza fa tsy tia crème au beurre noho izay nefa tsy fantany akory fa crème margarine foana no nohaniny,fa tsirona vrai crème au beurre aza mbola tsy nandramany akory ka tsy omena tsiny fa mila hay ny manavaka ny atao hoe beurre sy margarine végétale fa zavatra samy hafa ireo,izay no hanomezako fahalalana momba izany eto.
Ity crème au beurre américain classique/ authentique ity aloha dia tsy maintsy vrai beurre ihany vao mivoaka ny tsirony sy ny texture ka raha sanatria margarine no ampiasaina dia tena mahatofoka sy mampamonamonaina ary mampaloiloy mintsy dia lasa ny vrai crème au beurre no mahazo tsiny ary tsy misy mpanjakan’ny crème hafa tsy ny crème au beurre ,raha tena beurre mazava ho azy no ampiasaina satria ity crème au beurre américain classique ity tsy mampiasa hafa tsy beurre sy siramamy,ronono kely fa vao margarine no atao aminy dia tena tsy tafavoaka fa ratsy be mahatofoka tanteraka
ZAVATRA ILAINA
400g de beurre pommade efa modaka malemy na ramolli( vrai beurre sans sel fa tsy margarine na crème végétal chantilly mahazatra ireny akory)
800g sucre glace ( Ilay farany tena manify poudre indrindra)
3 c à s de lait
1 1/2 c à c Extrait de vanille na arômes hafa izay tianao
2 gouttes de colorant gel izay tianao eto fa tsy voatery ( satria ny beurre dia somary blanc crème ka raha mila crème au beurre tena fotsy be dia afaka mampiasa colorant fotsy be ianao raha tianao izany)
Havoaka 30 min -1h mialoha mihintsy ny beurre raha avy ao anaty frigo ho lasa pommade malemy tsara
Izay vao arotsaka anaty bol kapohana amin’ny robot mixeur amin’ny vitesse ambany aloha dia avela hipetraka kely indray 10 min eo,saromana sachet film dia haverina kapohana indray minitra vitsivitsy mandrapahafotsy sy malama tsara ilay beurre fotsiny aloha
Izay vao arotsaka tsikelikely amizay ny sucre glace efa voasivana tsara, sahabo 1 pot yaourt tsy feno be isaky ny mandrotsaka sady kapoana ampiakarina vitesse moyenne tsy mijanona raha tsy mahazo crème fotsy sy marihitra ary malama tsara toy io amin’ny sary io
robot mixeur no tena mety dia fa raha mampiasa batteuse ianao dia mila atao ela ela mintsy manao ezaka kely vao mahazo crème malama tsara tsy misy mamasipasika
Arotsaka indray ilay ronono kely dia ampiakarina vitesse rapide ilay mixeur mandritra ny 3 hatramin’ny 5 min eo mandrapahazonao crème malama tsara hatrany
Farany arotsaka ny colorant gel gouttes vitsivitsy araka izay loko tinao hatao na zaraina ilay crème hasianao loko samy hafa (facultatif tsy voatery) dia afangaro tsara amin’ny maryse dia vita ny crème au beurre américaine classique
Rehefa mandalotra azy dia mampiasa pelle de glaçage inoxydable no tena tsara sy karazana grattoir à crème amin’ny sisiny misy karazana design isan-karazany, raha hanao rosettes na décoration florale hafa toy ny karazana fleurs sy feuilles dia mampiasa karazana douilles de décoration manana lohany mifanaraka amizay, mahatafavoaka décoration florale tsara ny crème au beurre américaine fa tsy voatery mampiasa décoration pâte à sucre ianao raha tsy tia pâte à sucre no izy ireny mamy loatra
Raha somary enjankenjana ilay crème no tena ilaina manampy ronono kely dia haverina kapohana,raha diso malefaka indray ilay crème dia tsara haverina hipetraka kely anaty frigo minitra vitsivitsy dia havoaka indray izay vao haverina kapohana
Ireto indray kosa ny parfums,essences na arômes mety tsara amin’ny crème au beurre américaine classique :
Extrait de vanille,raha
poudre cacao,chocolat, caramel salé,beurre de cacahuète (tsy tokony hioatra ny 40% ny crème), extrait de café, extrait de framboise,extrait de fraise, jus de citron ou extrait de citron, extrait de menthe, extrait d’amande, extrait de coco, coco râpés fins, extrait d’ananas, extrait de fruits exotiques…
Santionany fotsiny ireo fa mbola maro ireo karazana concentrés d’arômes pour pâtisserie azonao ampiasaina eny fa na hatramin’ny karazana épices spécials pâtisserie koa aza azonao ampiasaina daholo afaka hanome goût sy saveur unique amin’ny crème au beurre américaine izay ataonao
Marihina fa fanaovana couverture sy glaçage ivelan’ny cake design mihaja ireny ity crème au beurre américaine ity mety koa izy hanaingona cupcake design,crème au beurre Suisse koa mihaja be raha couverture
Ny tena mahatsara ny crème au beurre américaine dia mbola azonao tehirizina hatramin’ny 15 andro izy ao anaty frigo atao anaty boîtes plastiques madio sy mihidy tsara raha tsy lany na hoe te hanomana hanamboatra crème au beurre mialoha koa ianao satria tsy manana fotoana dia amizay havoakanao anaty frigo 1 Ora mialoha izy ohatra dia izay vao haverina kapohana indray raha somary enjankenjana izy dia azonao ampiana crème fraîche na Ronono kely 2 sotro lehibe dia haverina kapohana dia miverina malama sy marihitra tsara indray alohan’ny handaloranao Gâteau, Ny crème au beurre hafa ankoatran’ity crème au beurre américaine ity dia tsy mety tehirizina fa tsy maintsy ampiasaina eo no eo,na ireny crème chantilly ireny koa aza tsy afaka tehirizina, any ivelany moa dia efa misy orinasa manokana mpamokatra crème au beurre américaine efa vita dia tonga dia manositra fotsiny noho izy azo tehirizina raha hoarina amin’ny crème au beurre hafa
Raha hanao fourrage ny anatin’ny gâteau indray dia crème au beurre russe no tena tsara tsiro sady tsy mandany, crème au beurre française,italienne allemande ihany koa tena tsara, misy koa karazana crème au beurre pudding tena matsiro nefa économique azo hanaovana fourrage anaty gâteau, économique fa amin’ny manaraka indray izay resahintsika na azonao jerena ao anaty journal Nay fa alefako ao, ireo karazana crèmes au beurre hafa kosa hitanao ato amin’ny pejy avokoa
Bon Beurre De Vakinakaratra

Articles recommandés

Pâte feuilletée classique : facile & savoureuse

Soja Tanà : Le secret d’une cuisine savoureuse