Sakafo Vita Malagasy

February 24, 2023
Vinaigre de cidre Bio
Fantaro ary fa sady manala tavy,mampihena kibo,manala cholesterol izy ity no afaka ampiasaina mba hanalana ny #mony #tasy2 #imperfections eo @tarehy ihany koa!
Afaka ampiasaina @vol ihany koa ho anareo ilay be angadrano ireny na koa manana volo tsy mety maniry…
Fomba fampiasana azy:
Tarehy:
Maka rano mitovy fatra @ilay vinaigre de cidre bio dia afangaro izy roa.
Raisinao @coton ny fangaro vita dia apetakao eo @ilay faritra misy ny mony na tasy2 tianao hiala haingana.
Marihinana fa sasana foana aloha ny tarehy ao aloha sy aorian’ny fanaovana azy io ary tsara raha mampiasa savony ihany.
Nb:tsy mety @hodi-tava maina/makina/mora maina izy aloha.
Volo:
Rano 1litre + vinaigre de cidre bio 2sotro.
Afangaro tsara dia hanakobanana farany ny volo rehefa manasa loha ianao.
Mampangirana volo sady manala angadrano ary manala ny residue-ana produit tsy afakao izy ity,noho izany dia manampy be hampaniry haingana kokoa ny volonao.
Nb:tsy mety @volo maina,mora maina na makina anefa izy io aloha!
Vatana:
Rano mafana 1 vera +vinaigre de cidre bio 1sotro kely.
Sotroina mafana isa-maraina alohan’ny sakafo na hariva alohan’ny hatory.
Manala tavy @kibo,@ vatana rehefa ihany koa,tsara ho anareo diabetika ny fanaovana azy ity…mbola be dia be ny soa azon’ny vatana rehefa misotro azy isa-maraina isika fa andramo anie ee!
Vinaigre de BIO ihany no tena tsara ampiasaina anefa an
Mirary soa anao izay hanandrana dia mba zarao ho hitan’ny namantsika hafa raha nahasoa anao!
Nb: misy vinaigre de cidre BIO tena azo antoka sy mety tsara ho an’ireo voalaza ireo izahay @vidiny mirary sady azo tehirizina ela raha sendra misy mila isika!

Articles recommandés