August 18 at 6:13 PM
Mety narianao fotsiny ny ankamaroan’ireto hatramin’izay, fantaro kosa nefa fa mahasoa sy zezika mandaitra ho an’ny fambolena ireto, tehirizo tsara manombok’izao:
1. HODITR’AKONDRO
Azonao ampiasaina ny hoditr’akondro 2 isaky ny zavamaniry na voninkazo fotitra iray. Kapakapaho fotsiny ary asitriho kely ao anaty tany manodidina ny fototra. Afaka ampiasaina indray isam-bolana eo arakaraka.
2. TAI-KAFE
Iray(1) ka hatramin’ny 2 sotro fihinanana ho an’ny zavamaniry iray fototra
3. LEVURE DE BIÈRE:
Afangaro amin’ny rano 10 litatra ny 3 sotro lehibe. Ampiasaina hanondrahana zavamaniry isan-kerinandro na isaky ny 2 herinandro.
4. AKORAN’ATODY
Atody 4 ho an’ny zavamaniry iray, potserina ho vovoka tsara alohan’ny afangaro azy amin’ny tany na amin’ny zezika hafa.
5. RANO MISY POTIPOTIKA SAKAFO
Azonao ampiasaina amin’ny fanondrahana zavamaniry
6. LAVENONA
Lavenona iray kaopy kely, afangaro amin’ny tany manodidina ny zavamaniry. Aza atao be loatra a
7. Tanjonay hanaovana ny fizarana dia ny hananao fandrosoana sy fahombiazana eo amin’ny famokarana …
Mirary soa ho anao izahay hahavokatra be tompoko, azonao zarazaraina raha mahasoa
– Mpampiofana: Malagasy Mandroso
– Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA Anosibe
Zezy Voajanahary: Fomba Mahomby Hampandroso ny Fambolena
