Sakafo Vita Malagasy

• Macaroni :2kg
• Dibera :160g
• Lafarina :8 sotro fihinanana
• Ronono :600ml
• Fromazy cheddar, gruyère, mozzarella,gouda : voakiky miaraka :800g( 200g avy)
• Sira sy dipoavatra
• Creamcheese nature double crème :320g
Fomba fanaovana azy
1. Andrahoy ny paty ary aza atao modaka be (fomba al dente na sady tsy manta no tsy masaka), rehefa masaka dia asio dibera 80g (asio sira sy dipoavatra arak’izay tianao, fa tandremo ihany fa ny fraomazy koa efa masira) dia atokany
2. Hafanao ny lafaoro ho 200°s
3. (eo ambony afo malefaka) Manaova lasaosy Béchamel marihitra (empoina ny dibera dia arotsaka ny lafarina sady haroina, tampohina ronono tsikelikely mba ahazahoana lasaosy marihitra eo amin’ny 4 na 5mn eo)
4. Ataovy ao anaty plateau fanao anaty lafaoro ny paty, raraho ilay lasaosy Béchamel
5. Fafazo amin’ilay fraomazy rehetra eo amboniny dia ampidiro lafaoro mandritran’ny 30mn hitsonika tsara ny fromage rehetra dia amin’ny farany vao arotsaka ny creamcheese izy mbola mafana iny afangaro tsara dia vita
arosoy mafana( azonao andrahoina tsy mila lafaoro koa ity lasa style gratin nefa izy raha miditra lafaoro
Azonao asiana fangaro hafa toy ny lardons,oignons et ail grillés, charcuterie, na potika akoho na totonkena izay mety aminao ankoatran’ireo
Bon appétit

Articles recommandés

Hachoir à Viande Électrique 2L – 60.000 Ar

Apprends à faire du menaka sakafo maison