Catégorie dans volafotsy

Construire un poulailler efficace : conseils de Bell Plume

July 27 at 8:58 AM
Akory eeee !!!
Andao isika anio hiresaka momban’ny tranon’akoho
Tiako marihana ety amboalohany aloha fa fizarana no atao ato @ Bell plume fa tsy fampianarana ! Izay ilay hoe expérience vécu
ka izay tsara dia raiso moa izay tsy tianao avelao.
Tena manandanja ho an’ny biby ny tranony, indrindra ny akoho.
Mety ho gaga ianao raha tsy mahita vokatra firy na misedra aretina matetika. Dia mandinia kely ihany sao dia resaka fonenana no olana.
Ny tsara dia mba
Azon’ny masoandro ilay toerana misy ny tranony, eny na ny maraina fotsiny aza na ny hariva
Misy rivotra tsara, mba tsy ho sempotra ireo biby
Raha manana toerana malalaka dia ataovy lehibe fa tsy olana mintsy
Atao mety sy avo tsara ny ahavony ( Hauteur) raha ho an’ireo akoho efa lehibe io mba afahany miaraka tsara ( manao accouplement) ao anatiny.
Mampiasa grillage mba hazava tsara ny ao anatiny fa tena important koa ny resaka luminosité.
Tsy hoe akoho ireo dia atao tsinotsinona ka apetraka @ toerana kizo be na mangatsika be na maloto be.
Farany fa tsy kely indrindra dia mila madio lalan_dava ny trano, miezaha mampiasa virucide matetika indrindra @ vanim_potoana misy aretina.
BONUS : trano tsy tapaka rano, tsy tapaka sakafo, misy fasika ho an’ny akoho kely. madio, averiko foana izay
Trano tsotsotra ato @Ferme
Soava ny sabotsy oooo !!!
#BellPlumeFarm
#Partage
#Juilllet2024