August 23 at 11:30 AM
Salama daholo indray isika mpanaraka ny pejy Soakaly
.Efa sasa miandry ngamba ntsika rehetra .Ka indro alefako eto ny fanamboarana pâte à brick.
Ireto avy ary ny akora ilaina @ zany :
Ito recette ito dia mahavita 10 feuilles de bricks
100 g farine
40 g maïzena
20 cl rano
1 tsongo ny sira
menaka
Fitaovana ilaina :
1 vilany
1 lapoaly
1 pinceau
Papier absorbant na torchon madio
Fanamboarana azy :
Atambatra ao anaty saladier anankiray ny lafarina +maïzena+sira.Vita izay dia afangaro tsara ary arotsaka tsikelikely ny rano mandrapahazo pâte matsora kokoa noho ny pâte à crêpe.
Manao bain marie ntsika @ ilay vilany dia hatao eo ambonin’ilay lapoaly madio.
Somary hosorana menaka kely @ essuie tout ny ao anatin’ilay lapoaly ntsika.
Atao an’ilay pâte ilay pinceau dia hosorana @ lapoaly.Atao ohatran’ireny mandoko ireny.
Esorina moramora ny pâte rehefa masaka tsara.
Somary fafazana lafarina kely ilay pâte à brick vao vita teo mba tsy hiraikitra @ ilay pâte manaraka.
Ary saromana torchon madio tsara mba tsy ho maina ny pâte.
Pâte à Brick: Recette simple et gourmande
