TSY MAMPIASA ATODY SADY TSY MILA LAFAORO
tsy voatery mampiasa atody vao mahavita génoise matsiro sy mitombo tsara fa beurre sy ronono ihany koa dia afaka manome tsiro tsy manam-paharoa ny génoise
Ity fatra génoise Spécial bon beurre de Vakinakaratra ity dia recette fikarohanay manokana ary zarainay aminao am-pitiavana be
izany tsy midika hoe aza mampiasa beurre hafa ianao akory fa ny recette no anay manokana no nanao azy ary eto dia ny beurre nay matsiro be vita avy rononon’omby no nanaovana azy, miampy ronono sy vovon-dronono kely izay manolo ny tsiron’atody
matsiro loatra ty fa andramo nge e
araho an-tsary ny étapes Ary
ZAVATRA ILAINA
Beurre 82% de matière grasse efa natsonika 150ml (Efa matimaty)
Ronono velona masaka tsy niala erotra 150ml (Efa matimaty
Vinaigre 1 c à c 1/2 na 7,5ml
Sucre glace 60g
Farine 140g
Lait en poudre entier 30% de matière grasse 35g
Bicarbonate 4g na 1/2 c à c
Levure chimique 4g na 1 c à c( ilay fampiasa amin’ny cake ireny)
Sel 2 pincés
Arôme de vanille 5ml eto (Fa afaka mampiasa arôme hafa izay tinao ianao)
FIKARAKARANA
Arotsaka anaty bol ny ronono matimaty sy ny dobera matimaty ary ny vinaigre dia arohina amin’ny fouet hifangaro tsara ka avela hipetraka 5min misarona(Matimaty sady tsy mafana no tsy mangatsiaka)
Avy eo arotsaka ny sucre glace dia arohina amin’ny fouet hatrany ho levona tsara
Maka tamis amizay dia araraho eo amboniny ny lafarinina,ny vovon-dronono,ny lévure,ny karibonetra,ny sira kely dia sivanina ireo fangaro maina ireo amin’ny alalan’ny spatule hidina ao amilay fangaro lena
Rehefa avy eo vao hararaka ilay arôme
Afangaro tsara amin’ny fouet hatrany mandrapahazo pâte marihitra sy malama tsara tsy misy mitambainganbaingana intsony
hosory menaka tsotra ny moule boribory ary asio papier cuisson ao anatiny ataovy milalotra menaka tsara ny manodidina ny moulemba tsy hiraikitra ny génoise
Arotsay amizay ny pâte ary somary hatotony hifatratra tsara
Mialohan’izay dia efa nafanaina mialoha ny vilany nasiana fitoeram-bilany misarona mandritra ny 15min eo hafana ( toy ny lafaoro ) afo mahery
Apetraka eo ampovoan’ny vilany,eo ambon’ilay fitoeram-bilany amizay ilay moule dia saromana,ary andrahoina mandritra ny 40mn hatramin’ny 50mn eo
Tsindromy cure dent ka raha tsy misy manaraka intsony dia masaka ny génoise
Esory ao anaty vilany dia avelao hangatsitsika eo izay vao halaina anaty moule ahohaka dia esory ilay papier cuisson, zarao ho lasa couche dia azonao lalorina crème izay tinao sy décorénao, fa na hoanina amizao tsy misy crème ary ity génoise au beurre ity dia matsiro,riche sady tsy mena mitahy amin’ny génoise mampiasa atody ny tsirony fa vrai beurre sy ronono no manome tsiro azy sady heno
manentoento tsara ilay fofon’ny génoise au beurre eee
Mirary fahombiazana hatrany dia mazotoa mikarakara
Bon Beurre De Vakinakaratra
+28
Fatra Génoise Spécial Bon Beurre Vakinakaratra
