Sakafo Vita Malagasy

a day ago
Aza harikariana intsony ireo potipotika fako sy sakafo simbasimba ao an-trano manomboka izao fa ilaina kay:
1. Azonao hamokarana sakafom-biby
2. Azo hamokarana Biogaz
3. Hanaovana zezika ho an’ny fambolena sns
Hiresaka zavatra maro be isika fa eto dia ny famadihana azy ho sakafom-biby no andeha ho resahantsika, dia ny famokarana olitra avy aminy
Tsy efa mba nisy nisambotra sahona ho an’ny akoho ve? Ity olotra ity mahasolo azy:
——————————————————-
AHOANA NO FANAOVANA AZY?
Angony ireo fakofako rehetra ao an-dakozia toy ny tapa-mofo, voankazo sy legioma lo, hoditra voankazo, anana simba, vary masaka sns
Manaova fitoerany sahaza azy toy ny vakina bidon ohatra na hafa, ampiana lavaka ao ambany mba tsy hitanany rano
Arotsahy ao ao avy hatrany ireo potika fako rehetra teo ambony aorian’izay ka apetraho eo amin’ny toerana iray mba hanatodizan’ny lalitra fa iny no hivadika ho olitra aoriana
1. Afaka 5 na 8 andro eo dia hahazo olitra vaventy ianao ka iny, dia azonao omena ny akoho, na trondro, na kisoa sns fa tena manafaingana ny fitombony io
2. Raha tsy miompy ianao, dia azonao hamainina ihany koa ka mivarotra an’iny ho an’ireo manodidina aveo
3. Aza ampiasaina ny akora misy menaka be loatra, zava-pisotro misy alikaola, sakafo masira be, ary ny plastika
4. Afaka homenao ny biby fiompy avy hatrany izy, saingy tsara raha olitra maty no ohani’ny akoho
Zarazarao àry raha mahasoa e. Hasainay ianao hanaraka ny Pejy dia mirary soa ho an’ny famokaranao tompoko
-Mpampiofana: Malagasy Mandroso
– Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA Anosibe

Articles recommandés

« Poulets Kuroiler Vavy EFA : 100 000 Ar – Itaosy »

Arrivage Queue Rouge : Fraîcheur Garantie