5 hours ago
Maditra alina hoe
Ny mpitaiza rehetra tsy maintsy nanana ilay olana iray nanahirana vao lehibe ny zaza
Tao ireo tsy nety afa-drivotra ny zanany, tao ireo nitohana lava, tao ireo nanana zaza farofirofy kely, tao ireo nanana zaza nifidifidy sakafo, tao ireo nanana zaza tsy tia nandro mihitsy… eeehhh samy nanana an’izay bête noir izay isika mianakavy
Ny anao mba inona
Ny ho resahana fohy androany dia ity zazamena maditra alina
Izay moa no teny mahavantana, fa tsy misy zazamena maditra zany kosa e
Fa ny tiana lazaina dia ilay mitomany sy tsy matory mihitsy amin’ny alina ary rehefa atoandro izy dia mandry fehizay
Natao ho anao ireto torohevitra ireto :
Mbola tsy tena mahay manavaka ny atoandro sy alina loatra izy satria tao an-kibon’i neny anie tsy nisy an’izany e
Tao an-kibo ihany koa (matetika) dia voarotsirotsy amin’ny atoandro satria mihetsika i neny, ary rehefa alina mipetraka amin’izay i neny vao taitra sy mikofoka izy
(sa tsy izany
Izao ary no afaka atao e
Ataovy miavaka tsara foana ny alina sy atoandro mba ho hainy tsikelikely
Rehefa atoandro dia avelao hazava ao an-trano na matory aza izy, aza miteny mora fa ataovy toy ny mahazatra dia ho hainy tsikelikely hoe atoandro kay ilay mazava, raha matory izy dia tsy voatery eo amin’ny fandriana fatoriana fa afaka atao amin’ny tapis d’eveil sns…
Rehefa alina, na taitra aza izy, na hanolo couche aza dia avelao halefaka ny hazavàna ao an-trano, mitenena mora (fa tsy hoe rehefa mifoha ihany izy dia alefaso ny tv
), ataovy fantany hoe alina rehefa maizina dia mangingina sy matory,
Matetika koa ny mampitomany be ny zaza amin’ny alina dia ny colique (manotiky ny rivotra ny kibony). Hatramin’ny faha 4 bolana eo io tena enjakenjana
Ataovy massage kely ny kibony, ataovy miohoka ny fomba fitrotroana azy (ataoko ao @ commentaires ho an’izay tsy mahazo) – Menaka voanio tsy adino
Mila manazatra azy karazana routines rehefa hariva. Ity misy routine natoron’i mamanay hitako tena mety be mba hatory tsara ny zaza rehefa alina
Douches (ampandroina izy rehefa harivariva)
Massages (atao massage kely manala havizanana rehefa avy mandro)
Nounou (Rehefa izay dia omeo nono)
Dodo (ataovy maivana ny jiro dia alefaso ny hira malefaka hafantarany fa hatory amzay)
Torohevitra ihany ireo fa tsy voatery hiety amin’ny zaza rehetra. Manàna faharetana fa samy manana ny rythme-ny zaza rehetra ary hatreo amin’ny 8 na 10 herinandro eo izy mbola tena manavao ny fiainana ety an-tany
Ndao omena fotoana izy
Aahhhh mafy ity zaza tsy matory alina ity. Iza avy no niaina an’izany ary inona no natao sa dia natory hoazy teny izy rehefa ela ny ela
Sa inona ny bête noir anao tamin’ny nitaiza
#RasazySoa
Guide pratique pour prendre soin de votre bébé de manière efficace
