7 hours ago
Rehefa mafana ny andro dia tsara kokoa ny misafidy sakafo izay afaka manampy amin’ny fanamaivanana ny hafanana. Ireto ary misy sombitsombiny afaka atao tsara mihintsy
Salady : Afaka atao amin’ny legioma vaovao toy ny salady maintso, voatabia, concombre, karaoty…
Voankazo : Toy ny pastèque, melon, papay, izay misy rano betsaka ary manampy amin’ny fitazonana ny rano ao amin’ny vatana.
Sakafo be rano: toy ny ranom-boankazo vaovao, smoothie
Tsindrin-tsakafo mangatsika : Ny gilasy na yaourt mangatsiaka dia manampy amin’ny fanalana ny hafanana.
Sakafo maivana: tsy misy menaka be loatra
Tsy dia tsara ny sakafo matavy be na masiaka be satria ireo dia mety hanampy ny vatana hafana kokoa.
Aza adino hatrany ny misotro rano fa manampy be io
#sakafoarapahasalamana #astuces #conseilnutrition
6 hours ago
Fantatrao ve ?
TOMBONTSOA goavana be hoan’ny fahasalamanao ny fisotroana rano 4 VERA Ilay Vao mifoha Mbola tsy misakafo iny. ( À JEUN )
Manampy ny vatanao MBA ho « Hydraté » tsara izay tena antokin’ny fahasalamanao.
Manampy amin’ny fanamafisana ny metabolisma sy ny fandoroana kaloria.
Manatsara ny fikorinan’ny rà any anaty
Détoxification : Manadio ny aty Ary Manampy amin’ny fanesorana ny loto ao anaty Ary manatsara ny rafitra fandevonan-kanina.
Manalefaka ireo « acides gastriques » avoakan’ny vavony ary misoroka na manasitrana areti-mbavony
Misoroka ny fitohanana ( constipation)
– Fanamarihana: tsy mihinana Na inona na inona mandritry ny 45 minitra ao aorian’ny nisotroanao ilay rano mafana MBA ahomby izany.
Izay ary fa aza misalasala mizara !
Aza tazomina ho an’ny tenanao irery fa sao mety ahasoa hafa.
©MAHASOA ANAO