Catégorie dans Mayonnaise

« Soyonnaise maison : recette facile et rentable »

Malagasy Mandroso
August 12 at 5:39 PM
Fantatrao ve fa afaka hanamboarana MAYONNAISE tsara tarehy ny SOJA? Na ilay antsoina hoe SOYONNAISE
Mety efa henonao foana, fa ny soja dia afaka ahodina ho zavatra maro be ary tena mahasoa ny fihinanana azy… Fa androany dia ny teknika fanamboarana Soyonnaise indray no ho zarainay aminao, izay mampiakatra ambony ny tombom-barotrao ny fanodinana azy
ZAVATRA ILAINA
 Ronono soja matimaty
 Ranona voasary makirana
 Sira
 Menaka
FOMBA FIKARAKARANA
1. Arotsaka ao anaty ronono soja matimaty ny ranona voasary makirana sy sira dia afangaro ary havela hilona mandritry ny 2 minitra hatramin’ny 5 minitra (lasa mitambaingana ny ronono)
2. Tatavanina tsara tsy ikambana ny rano sy ny tambaingana ronono ka ilay rano tsy ampiasaina intsony.
3. Alaina kosa ny tambaingana ronono dia rarahana menaka kely ka havela hilona kely mandritry ny 2 minitra izay vao kapohina (fourchette sy tongolo dia efa mahavita azy) tsy atao miverina
4. Arotsaka tsikelikely kosa avy eo ny menaka mandrapahazo ny soyonnaise tadiavinao dia VITA TOMPOKO, AFAKA MAMPIASA AVY HATRANY
Raha misy fanontaniana mikasika ny zavatra zarainay, dia aza misalasala mifandray na manontany tompoko
Ho anao te hamokatra: Fromage soja, tofu, yaourt, crème fraîche, ronono soja, solonkena, dobera, vovodronono, sauce soja, bajia, sns
DIA HANOLOTRA FIOFANANA FENO IZAHAY
#NY_ALATSINAINY_02_SRPTAMBRA_2024
NATAO HO ANAO HANOVA NY HOAVY
#Aorian_ny_fiofanana: Dia hisy pratika mihitsy, tsy hamela anao raha tsy mahafehy ireo tanteraka
– Malagasy Mandroso – 034 50 067 89
– Toerana: Tranombarotra LIDA Anosib
– Fidirana: Amin’ny 08:30, tontolo andro