« Réussir dans l’élevage: Les 10 étapes clés »

« Réussir dans l’élevage: Les 10 étapes clés »

September 9 at 6:13 PM
Raha te hiditra eo amin’ny sehatry ny Fiompiana, kenefa vaovao vao hanomboka mihitsy, dia mety hahomby ve?
Ireto no dingana 10 hiantoka ny fahombiazanao mba tsy ho diso ny lalana ho an’ny amin’ny fahombiazana ianao:
———————————————–
1. FANADIHADIANA MIALOHA
Fantaro ny filàna eo an-toerana, hamarino hoe inona avy ireo biby vokatra ilain’ny tsena eo amin’ny manodidina anao
Diniho ireo mpiompy hafa ao amin’ny faritra misy anao mba hahafahana mandrindra ny paikadim-pamokarana sy ny fivarotana
2. FIFIDIANANA NY SOKAJIM-BIBY FIOMPY
Inona no fiompiana mety amin’ny toerana misy anao? Ka ilaina jerena ireo mety ho sakana na tombony manokana… Ka iza no mety hahazoanao tombony kokoa?
3. FIKAROHANA
Manaraha fiofanana matihanina momba ny fiompiana ataonao, ny fikarakarana ny ara-pahasalamana, sakafo, sns fa tsy misy ny zavatra mandehandeha hoazy

Manatona ireo efa mpisehatra za-draharaha hahazoana fahaiza-manao sy teknika vaovao hatrany na manao irony vizity manokana
4. FANOMBOHANA
Rehefa tapaka àry ny safidy hanorenana ny fiompiana ka eto ianao vao tokony hanomboka ny fanamboarana ny trano sy ny fotodrafitr’asa izay mahafeno ny fepetra araka ny teknika noratovina tanaty Fiofanana
5. FANAOVANA DRAFITRA ARA-BOLA
Aty ampiandohana, dia kajio avokoa ireo mety ho vola ilaina, toy ny vidin’ny biby, fanamboarana, sakafo, fanafody, ny karaman’ny mpikarakara sns
Ka anjaranao no manao ny fanapahan-kevitra ny amin’ireo vola ilaina na ampy na hanampy na hanena
6. FIVIDIANANA NY BIBY
Tsara ny mividy ny biby hoenti-miainga azo antoka amin’ireo mpamokatra azo antoka, na kalitao, na ny ara-pahasalamana sns
7. FIKARAKARANA NY BIBY
Ataovy azo antoka fa mahazo sakafo mifanaraka amin’ny biby tsara ny sakafo ampiasainao mba hahazoana vokatra mahomby
Ny traitement, ny fitandrovana ny fahasalamana sns dia tena zava-dehibe mba hisorohana izay mety ho fahavoazana hiseho sns
Fanajana ireo harifenitra ara-teknika momba ny famokarana rehetra, ary indrindra ny fitànana an-tsoratra ny zavatra rehetra anatiny
8. LALAMBAROTRA
Pametraha paikady mialoha momba ny famoaham-bokatra na mijere ireo mpandray ny entana amin’ny famoahana
9. FANARAHA-MASO
Mandtitra ny fiompiana, dia araho maso tsy tapaka ny famokarana, ny fitombon’ny biby, ny fampitomboan-taranaka…
Jereo ireo lesoka rehetra ary araho-maso izay hita fa ahitan-tombony ka tazomy izay tsara
10. FITANTANANA
Taorian’ny famoaham-bokatra àry dia eto no handinihanao manokana ny ara-pitantanana, hijerena hoe nahazo tombony sa tsia?taorian’ny fampitahàna ny fitanana an-tsoratra sy ny vidim-bokatra azo. Dia eto no hanapahanao hevitra hoe tokony hanampy sa mbola mila mizatra aloha?
NY FANARAHANAO IREO PLANINA REHETRA IREO ÀRY, DIA HINOANAY FA:
Hahomby amin’ny fiompiana ataonao ianao
Ho maivana ireo tebitebinao rehetra aty am-panombohana
Dia tsy ho diso lalana, ka afaka ny handeha lavitra
Mirary soa ho an’ny tetikasanao izahay tompoko, aza misalasala mifandray raha misy hilàna fanampiana
_Malagasy Mandroso/034 50 067 89
_Tranombarotra LIDA Anosibe

Vétérinaire Dokoteram-biby

Les commentaires sont fermés.