Dinety
2 days ago
LASOPY LÉGUMES MIARAKA AMINA ATODY SY HENA BAOLINA
Izay no ho arosoko anao anao
Ireto ary no nilaina teto :
Légumes fatao lasopy 2000 Ariary
Atody 2 – 1600 Ariary
Sakamalaho – 300 Ariary
Tongolo 2 (efa nisy tato antrano)
Tongolo gasy
Patsa fotsy (efa nisy koa)
Totonkena kisoa 2000 Ariary
Totonken’omby 2000 Ariary
Thym 100 Ariary
Teteho majinika ny tongolo be sy sakamalaho ary tongolo gasy.
Endaso amina menaka mamay miaraka amin’ny patsa.
Arotsaho ny karazana hanitra. Ny ahy ireto : tongolo gasy sy tongolo be vovony, 5 épices ary koa paprika.
Afangaroy tsara.
Arotsaho ny legioma dia afangaroy kely ary araho rano roa zinga eo eo.
Alefaso ao ny atody ho atao oeuf dur.
Avelao hiketrika 15 minitra.
Anaty lovia jobo : afangaroy ny hen’omby sy kisoa ary asio sira, dipoavatra, tongolo be sy tongolo gasy vovony ary koa 5 épices sy menaka.
Afangaroy tsara.
Ataovy miendrika hena baolina.
Rehefa masaka tsara ny atody afaka 15 minitra dia esory ary atsoboy anaty rano mangatsika.
Arotsaho ny hena baolina sy ny thym ary avelaho hiketrika indray.
Vohaso ary Teteho ny atody dia arotsaho anaty vilany.
Avelao hiketrika mandrapalemin’ny legioma rehetra sy mandraparohitry ny roniny.
Ny ahy zao ampiarahiko amina vary fotsy
Mety tsara amin’ny hariva mangatsika.
Mazotoa ary