a day ago
Ity no teknika raha te hanamboatra SAVONY amin’ny alalan’ny JABORAN’OMBY ianao. Ey, azo atao tsara ary hahafahanao manamboatra savony tsara kalitao na fidiram-bola na ampiasaina
ZAVATRA ILAINA
——————————-
Jaboran’omby 1kg
Soude 141g
Rano 470g
INDRO IREO DINGANA ARAHANA:
1. Empoina ny jabora, menaka no ilaina ary esorina raha misy ventiny anatiny
2. Atambatra ny rano sy ny soude, mivadika ho lasa mamay be aveo
3. Andrasana hitovy eo amin’ny 36°C eo ho eo na ny jabora nempoina na ny soude sy rano natambatra, izany hoe mitovy ny hafanan’ny hoditra
4. Ahodina/afangaro hifangaro tsara saingy tsy mahazo haverin-dalana ny fanaovana azy
5. Atao izay hahazoany trace na marihatra tsara ka arotsaka anaty lasitra aveo
5. Esorina anaty lasitra izy afaka 24ora aoriana ka apetraka ho maina tsara dia mampiasa e
TANDREMO
Tsy azo raisina tanana mivantana ny soude ary tsy azo hitataovana rehefa manafangaro azy amin’ny rano
HO ANAO TE HAMOKATRA SAVONY TSARA KALITAO SY IREO KARAZANY MATO BE
Hanolotra fiofanana matihanina izahay momba ny fanamboarana: savony vaingany, savony ranony, savony gasy, labozia, savoka, vinaigre sns
————————————
Hahafahanao mampidi-bola avy hatrany ny hampitson’io
ALAROBIA 18 SEPTAMBRA 2024
Eny @Tranombarotra LIDA Anosibe
Fidirana: Amin’ny 08:30
Filankevitra: 034 50 067 89
Mpiaramiasa:
– Malagasy Mandroso
– Tranombarotra LIDA Anosibe
Apprenez à faire des savons artisanaux à Madagascar
