10 hours ago
AZA MANAMBANY NY VALEUR NAO IZANY
Sarobidy foana ny Diamondra, na ao anaty fotaka na ao anaty vata fitaratra no misy azy. Tsy miova mihintsy ny hasarobidiny na inona na inona no tontolo iainany.
Toy izany koa ianao, sarobidy sy manana ny maha izy azy foana, na inona na inona fiheveran’ny hafa anao.
Atokiso ny tenanao sy ny fahaizanao ary aza manambany valeur zany fa sarobidy ianao.
Ireto misy fahamarinana 4 tsy ho lazain’olona anao mihintsy fa ho zaraiko anao mba hananao motivation manomboka androany
Voalohany: Ny vola iray tampitrisa dia tsy hanova ny zava-drehetra na misy hanome anao maimampoana ary, fa mety hanova zavatra betsaka kosa anefa eo amin’ny fiainanao.
Mety tsy hamaha ny olanao rehetra io lelavola io, fa mahavaha olana izay tokony hovahana iany anefa.
Noho izany aza mba ambaniana mihintsy izy io raha io loa ny ananao amin’izao
Faharoa: Ny vola dia tonga amin’izay manome lanja azy. Ny fahafahanao mahazo vola dia mifandray mivantana amin’ny valeur entinao amin’ny hafa.
Arakarakin’ny anampianao ny manodidina anao no hahazoanao vola bebe kokoa.
Fahatelo: Ny finoana ananao momba ny vola no mamaritra ny fahombiazanao. Raha mino ianao fa tsy millionnaire dia tsy ho millionnaire izany mihintsy ianao.
Ovay ny finoana momba ny vola dia hiova manaraka izay no vola miditra aminao.
Fahaefatra: Ny fifehezana ny fidiram-bola dia famerimberenana matetika ny zavatra ataonao ho loharonombola, ny faharetana sy fikirizana aminy.
Ireo olona goavambe hitanao androany io dia débutant iany koa ireo taloha.
Ohatra izao: Président Ravalomanana dia mpivarotra ronono amin’ny bicyclette no niantombohany kanefa dia manana orinasa be dia be ankehitriny.
Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no nahombiazany
Tsotra ny valiny:
Sahy nanomboka tamin’izay teo ampelatanany izy,
Tsy niandry fotoana tonga lafatra mba hanombohana,
Tsy niandry azy ho tonga lafatra fa natombony ilay zavatra nataony ary natsarainy tsikelikely
« Ne sous-estime jamais ta valeur ! »
