Fomba fanamboarana vinaigitra vita amin’ny paoma ( vinaigre de cidre ) Sady mahasoa ny olona no mety amin’ny biby ihany koa izy ity. Indraindray anefa somary sarotrarotra vao mahita mpivarotra azy. Maninona moa raha manamboatra eh ? Vokatra manko izao ny

Fomba fanamboarana vinaigitra vita amin’ny paoma ( vinaigre de cidre )
Sady mahasoa ny olona no mety amin’ny biby ihany koa izy ity.
Indraindray anefa somary sarotrarotra vao mahita mpivarotra azy.
Maninona moa raha manamboatra eh ? Vokatra manko izao ny paoma ka ndao araraotina
Toy izao ny fanaovana azy :
Sasana madio tsara ny paoma dia tetehina vaventy, atao anaty bocal vera (tsy voasana) . Marihina fa ilay marikivy sy mena be ireny no tena mety .
Asiana sira kely sy siramamy kely ary asiana clou de girofle raha tianao
Ampiana voasary makirana notetehina manify
Rarahana rano madio hatreny amin’ny tendan’ny bocal
Saromana lamba coton dia afatotra ny vavany
Apetraka amin’ny toerana maina mandritra ny 5 na 6 herinandro
Tatavanina dia atao anaty tavoahangy madio dia saromana .
Izay fa vita !
Malagasy Mandroso
Tranombarotra Lida Anosibe
034 50 067 89
#MalagasyMandroso #TranombaritraLida #Fampianarana #Torohevitra #FanamboaranaVinaigreDeCidre #VinaigitraVitaAminyPaoma

Fiofanana Malagasy Mandroso

Les commentaires sont fermés.