IZAY Manan-Tsira MAHAY Mahandro Akory aby lahaly! LEGIOMA NENDASINA Tsy natao ela loatra ny fanamasahana mba tsy ho masaka loatra ireo legioma. Saosy d’huitre no tena mampamiratra azy fa tsy menaka loatra. Tokony nasiana ravi-maitso manitra fa tsy nanan

IZAY Manan-Tsira MAHAY Mahandro
Akory aby lahaly!
LEGIOMA NENDASINA
Tsy natao ela loatra ny fanamasahana mba tsy ho masaka loatra ireo legioma. Saosy d’huitre no tena mampamiratra azy fa tsy menaka loatra. Tokony nasiana ravi-maitso manitra fa tsy nanana teto.
ILAINA :
Karaoty natao masakevoka (à la vapeur)
Holatra mainty efa nomasahina tao anaty rano mangotraka. Ataoko tsy latsaky ny 30 min mba halemy tsara.
Korzety
Sakaibe mena sy maitso (poivron)
Tongolobe
Sira sy dipoavatra
Tongolo gasy
Saosy d’huitre
FIKARAKARANA :
Nafanaina ny menaka, natao eran’ny sotro isaka ny mpihinana.
Ny tongolo be no narotsaka voalohany. Dia tonga dia nasiana sira sy dipoavatra.
Dia nampiana ny korzety sy ny sakaibe mena sy maitso.
Dia nanaraka ny karaoty efa masakevoka sy ny holatra mainty efa masaka.
Dia narotsaka farany ny tongolo gasy sy ny saosy d’huitre.
Rehefa mamiratra tsara dia noesorina.
Dia vita!

IZAY Manan-Tsira MAHAY Mahandro

Les commentaires sont fermés.