Lazao azy fa marani-tsaina izy… ho heveriny ho marani-tsaina tokoa izy ka lasa tia karokaroka. Lazao azy fa sahy izy… Yeh, hahazo herim-po ianao ho setrin’izany. Lazao azy fa variandriana izy… ho hadinony ny mitondra ny enti-modiny isan’andro ary ts

Lazao azy fa marani-tsaina izy… ho heveriny ho marani-tsaina tokoa izy ka lasa tia karokaroka.
Lazao azy fa sahy izy… Yeh, hahazo herim-po ianao ho setrin’izany.
Lazao azy fa variandriana izy… ho hadinony ny mitondra ny enti-modiny isan’andro ary tsy ho fantany akory na ny fisiany aza.
Lazao azy fa ratsy fanahy izy… ho ratsy fanahy aminao sy ny iray tampo aminy ary ny namany any am-pianarana tokoa izy.
Lazao azy fa tsara fanahy izy… hanasa ilay zaza voahilikilika hiara-milalao aminy izy, hanampy ny mpampianatra ary hampionona ny namana iray nitomany.
Lazao azy fa mety ho mpihira, mpandihy na dokotera izy … ary hiezaka sy hikotrana foana izy hanatratra izany TANJONA izany.
Raha mamerina zavatra amin’olona matetika isika.
Mino izany izy amin’ny farany, indrindra fa ny zanatsika mora matoky sy ovaina.
Noho izany, miresaha amin’ny zanakao toy ny hoe izy ireo no olona tsara fanahy, manan-tsaina ary mahay indrindra eto amin’izao tontolo izao izay afaka manao na inona na inona.
Satria izay inoan’izy ireo no ho lasa tena izy.
Mpanabe Fototra

Mpanabe Fototra

Les commentaires sont fermés.