Ity karazana crème ity dia ilay faran’izay matsiro indrindra amin’ny crème fampiasa hanaingona layer cakes sy cupcakes ,chiffon cakes, génoise,stable tsara izy raha hanaovana couverture, décoration florale ary koa fourrage anaty gâteau
ZAVATRA ILAINA
Beurre doux 400g( 82% de matière grasse no ilaina fa tsy margarine végétale)
250g creamcheese pâtissière double crème
390g de lait concentré sucré
Sucre glace kely facultatif fa ilaina raha hanao décoration ka Mila crème somary enjankenjana
1 c à c d’extrait de vanille na arôme hafa izay tianao facultatif
Colorant gel izay tianao facultatif
Kapohana amin’ny batteuse vitesse ambany minitra vitsivitsy ny beurre mandrapahafotsy azy somary manary couleur ary marihitra tsara avy eo arotsaka ny creamcheese pâtissière dia kapohana vitesse ambany hatrany mandrapahazonao crème marihitra tsara
Farany vao arotsaka ny lait concentré sucré ( raha mampiasa sucre glace, arôme, colorant gel dia arotsaka eto ihany koa eto raha mila izany) ary kapohana vitesse rapide amizay mandrapahazo crème somary lasa blanc crème sy lisse ary ferme tsara
Vita na cream cheese buttercream na crème au beurre au creamcheese azonao hanaingona cupcakes sy cakes design rehetra, faran’izay matsiro ihany koa ity crème ity saingy somary lafolafo ny vidin’ny gâteau vita avy aminy fa tena tsara,crème anisan’ny tendance be koa izy ity eo amin’ny tontolon’ny pâtisserie indrindra any ivelany any amizao ka andramo ange eee
Mirary soa sy fahombiazana hatrany
Crème au Beurre au Creamcheese: Délicieuse et Stable
