7 hours ago
Efa fantatrao ve hoe inona no hidiran’ny LAVENONA eo amin’ny fiompiana?
AZO ATAO SAKAFO IZY….
Ankoatry ny hoe sakafo anefa, dia ireto misy tombontsoa maro hoentiny ka tsara ho fantatra fa mahasoa ny hampiasàna azy ary hanasanay anao hizara ity ho an’ny namana mba ho fifampizarana fahombiazana e
————————————-
Ampiasaina ny lavenona ho fisorohana ny fihanaky ny bibikely ao amin’ny toeram-piompiana fa tsy tian’ny parasy sy ny vitsika izy
Fanadiovana ny trano sy ny fitaovana, izay mampihena be ny fihanaky ny mikraoba sy ny kankana ary kantsentsitra hafa
Fanasitranana fery ary misoroka ny mikraoba tsy hihanaka ny fandrarahana kely azy eo amin’ny ratra
Manatsara ny fahasalaman’ny tsinay ihany koa ary manatsara ny rafi-pandevonan-kanina
RAHA AFANGARO AMIN’NY SAKAFO INDRAY ÀRY NY LAVENONA, DIA:
————————————-
1. Mitondra otrikaina toy ny Calcium, phosphore, potassium sns ny lavenona izay manampy amin’ny fanamafisana ny taolana, fanatsarana ny atodin’akoho, ny hozatra sns ka anisan’ny miantoka ny fampitomboana ny vatana izy noho izany
2. Manamafy ny hery fiarovan’ny biby ihany koa ny fanomezana azy ny biby fiompy, manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina sy ny korontana mety hitranga
TSARA HO FANTATRA ANEFA:
Tsy natao ho foto-tsakafo ny lavenona fa kely fotsiny ihany ny fampiasàna azy eo amin’ny fatra
Lavenona avy amin’ny hazo no tsara ampiasaina
Tandremo ireo lavenona tsy azo antoka mety hisy fangaro hafa
MANANA FIZARANA MAHASOA MARO BE MILAHATRA AO ISIKA, ATAOVY J’AIME NY PEJY HAHAFAHANAO MISITRAKA AZY
_ Mpampiofana: Malagasy Mandroso
_ Mpiaramiasa: LIDA Anosibe
« Lavenona : Un allié caché pour votre élevage »
