1d
Maro be ny olona no voafitaka hoe mividy apombo ohatra kay vovokazo no betsaka anatiny, na akora hafa sns, dia ny vokany?
– Na mivalana lava ny biby na marary mihitsy
– Na tena mitsipozipozy ny fitombony
DIA TANDREMO, FA LOZA NY TRATRAN’IO
Ahoana àry no hahalalana fa tena izy ary tsy mifangaro zavatra hafa ny apombo vidianao? Dia izay indrindra no resahantsika androany satria tena manimba ny famokarana ny fihinanan’ny biby fiompy ireo na faikan’apombo tsotra izao fotsiny no totoin’ny ratsy saina dia hiteraka fatiantoka ka mila mailo e
IRETO MISY TEKNIKA VITSIVITSY HANAMPY ANAO, HAHAFANTARANA NY APOMBO TENA IZY
———————————————–
1. Ny fijerenao ny lokon’apombo sy ny endriny aloha voalohany indrindra. Izany hoe, raha mifangaro ny apombo dia mety ho hita taratra eny fa misy loko na fangaro hafa miavaka na tsy lokon’apombo mahazatra ka mila mailo ianao
2. Ity faharoa ity dia tena zava-dehibe, dia andramana mihitsy ny tsiron’ny apombo. Raha tsy mifangaro ny apombo dia manana tsiro sy fofona voajanahary ary mamy. Raha mifangaro kosa izy dia na ianao tsy hahare tsiro fa mafaikafaika be fotsiny ny faikan’apombo nototoina na hahare tsiro hafa mihitsy raha misy vovokazo sns ao anatiny
3. Makà rano ary ataovy amin’ny fanasiana, vilia ohatra, dia alaivo ny apombo eraky ny sotro eo fotsiny dia ararao eo ambonin’ny rano ka hafangaroy moramora kely mba hiparitaka eo ambonin’ny rano tsara.
. Ny ampombo tena izy tsy milentika haingana be nefa tsy mijanona ho mitsingevana ihany koa noho izy mitondro otrikaina ka mavesatra ary tsy miova haingana be ny lokony
. Ny apombo hosoka dia na izy mijanona hitsingevana eo ambonin’ny rano foana na milentika haingana loatra na mora hiova loko kely
. Na hizara roa miavaka tsara ny zavatra hitanao, azo antoka fa hosoka ny apombo
4. Araho maso tsara ihany koa, fa ny apombo mifangaro dia miteraka aretin’ny taovam-pandevonan-kanina ho an’ny biby ka mety hampivalana na hampisy rà ny tainy noho izy manimba ny tsinain’ny biby
5. Ankoatr’ireo, dia ny laboratoire no azo antoka hahafahana milaza fa tena akora tena izy ny akora iray na misy fangaro hafa
FA NAHOANA MOA NO NORESAHANTSIKA MANOKANA IZAY ANDROANY?
Vola no ao amin’ny fiompiana, ka tandremo fa tena manimba ny fitombon’ny biby toetra tsy fataon’ny sasany io….
ANKOTRY NY APOMBO,
Inona ihany koa ny akora fantatrao fa lasibatr’io hosoka io dia ahoana no fomba nahafantaranao azy? Andeha mba hifampizarana kely isika androany e
#FiofananaFiompianaAntananarivoAntsirabe
#FifampizaranaTeknikaTraikefa
#TranombarotraLIDA
#MalagasyMandroso