2 days ago
INDRO OMENAY ANAO ETO NY TSIAMBARATELON’NY FANODINANA NY VOANKAZO
Ny voankazo rehetra dia azo ahodina ho karazan-javatra maro be avokoa, fa eto dia haka ohatra voankazo iray isika hahafahana manangana asa tena tsara aorian’ity fizarana ity
—————————–
ZAVATRA ILAINA
Fraise: 1000g
Siramamy mavokely: 800g
Rano: tapaky ny vera
Ranona voasary makirana: 2 sotro fihinana
Afo antonony sy Vilany ary Sotro hazo
FIKARAKARANA/
1. Sasana madio tsara ny fraise ary tsihifina mba tsy ho be rano manaraka azy
2. Tetehina atao madinika avy eo ary arotsaka ao anaty vilany dia tanehana eo ambony afo antonona miaraka amin’ ilay rano tapaky ny vera
3. Rehefa mahamay be dia arotsaka ny siramamy ary haroina tsy mijanona mandram-pahalevona ny siramamy ary malemy be ilay fraise
4. Rehefa hitanao fa tsy misy rano be intsony dia araraka ny ranona voasary makirana ary haroina indray
5. Rehefa malemy tsara ary tsy mitsiranoka be no tsy maina be dia VITA NY CONFITURE
6. Esorina eo ambony afo ary tehirizina ao anaty bocal madio sy maina tsara ary ahohoka ny bocal rehefa apetraka izy
7. Ilay confiture mbola mahamay no ampidirina ao anaty bocal itehirizana azy, ary rehefa mangatsiaka vao afaka sokafana sy hohanina
FANTATRAO VE HOE LASA OHATRINONA NY VIDIN’IO AVEO REHEFA IZY AVY VOAHODINA?
—————————————
Manome Fiofanana iray tsara be ho anao izahay
#NY_ALAROBIA_09_OKTOBRA_2024_IZAO
Hahaizanao ny fanodinana ny voankazo rehetra misy amin’ny fomba maro be
Hamokarana asa tena ara-kalitao sy be tombony ary miavaka tsara
MISORATRA ANARANA MIALOHA ÀRY
HISY PRATIKA MANOKANA IREO
Toerana: Tranombarotra LIDA Anosibe
Fidirana: Amin’ny 08:30/ tontolo andro
Tel: 034 50 067 89
_Mpampiofana/ Malagasy Mandroso
_Mpiaramiasa/ Tranombarotra LIDA