a day ago
Tantely mivaingana na mirendrika:
Ny ranontantely dia ranontsiramamy izay nalain’ireo renintantely (abeilles) avy amin’ny mamim-bony (nectar) hazo na voninkazo. Eo ampangalana azy dia ny « saccharose » sy rano no betsaka izay trohany amin’ny vavany ka ampidiriny ao aminy. Eo no manomboka ny fanodinana azy ho tantely: Io saccharose (mitovy amin’io siramamy andavan’andro ampiasaintsika Io) no potehiny ka lasa mizara roa, Dia ny « glucose » sy « fructose » Izay antsoina hoe « sucres simples ». Rehefa avy nampitampitaina Io tsiranoka Io Dia Tonga ao anaty tranonyantely Dia Mbola be rano ka esoriny indray amin’ny alalan’ny hafanana ao anaty vatatantely sy ny kopa-kelatra izay ataony.
Ny toetry ny ranontantely dia miankina amin’ny tahan’ny siramamy ao anatiny, Dia ny glucose sy ny fructose:
Glucose>fructose: mivaingana
Fructose>glucose: mijanona ranony
Eto amintsika Dia ireto avy no tokony mivaingana:
Tantely kininina
Tantely mimoza
Tantely litchi
« Tantely: Mivangana sa Mirendrika? Inona no Tena Tokony Ho Fantatra? »
