6h
FANTATRAO VE?
Zavatra maniriniry fahatany eny anaty rano eny ny #ramilamina hatramin’izay ary hariana fotsiny indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra eny.
Sakafom-biby tena tsara nefa izy, mitondra hery fanorenana betsaka, ilaina izy raha fehezina.
INDRO ATORO ANAO ETO NY FAMBOLENA AZY:
1. Mila fitoeran-drano ianao, 30sm eo ny halaliny
2. Tsara, ampiana ragla na labasy na hafa ny fanambaniny sy ny sisiny mba hitànana ny rano tsy ho ritra
3. Rehefa izay, dia rarahana tanimasaka ny 10sm eo ho eo
4. Ampiana rano amin’izay, 10sm ihany koa miala amin’ny tany
5. Alaina ny ramilamina mbola velona ka araraka eo ambonin’ny rano, ka tsy ela dia ahazoam-bokatra
————————————————————————–
Afaka tonga dia homena ny biby fiompy mbola maitso izy ary afaka hamainina ka hanamboarana provandy ihany koa
Soloina isaky ny enim-bolana ny tany sy rano na rehefa miova loko na ratsy faniry izy
Tsara kokoa, raha amin’ny maloka no hampaniriana azy
EFA MARO KOA NY OLONA MAMPIASA AZY @LASOPY FIHINANA AMIN’IZAO FOTOANA
DEFI Malagasy Mandroso
