Sakafo Vita Malagasy

August 26 at 5:56 PM
MAHATSARA TAREHY NY AKORAN’ATODY
Hafakely indray ity teknika iray hoentinay ho anao androany ity dia ny famadihana ny akoran’atody ho lasa hamanjàna, fa mitondra vokatsoa maro ny fiompiana
——————————————
FIKARAKARANA AZY:
1. Sasao madio tsara ny akoran’atody hanesorana ny loto sns
2. Apetraho amin’ny toerana maina sy misy rivotra tsara mba ho maina tanteraka na hatapy masoandro
4. Totoy ho lasa vovoka tsara aveo na afaka mampiasa mixeur ihany koa, izay fomba hahazoanao azy malemy be
AKORA ILAINA
1 – Vovoka akoran’atody 2 sotro fihinanana
2 – Yaourt nature 1 sotro fihinanana (ho an’ny hoditra mahazatra na maina) na ranom-boasary makirana (ho an’ny hoditra be menaka).
3 – Tantely 1 sotro fihinanana (tsy voatery, nefa tsara raha ho an’ny hoditra maina).
FOMBA FANAMBOARANA AZY
1. Afangaro ao anaty vilia ny vovoka akoran’atody sy ny yaourt (na ranom-boasary makirana) ary tantely raha ampiasaina
2. Ahosotra tsara amin’ny tarehy na hoditra tianao hampiasàna azy. Ataovy izay hahazoan’ny mason-koditrao rehetra, nefa ialao ny manodidina ny maso.
3. Avelao hilona mandritra ny 15-20 minitra mandra-pahatsapanao fa maina
4. Sasao amin’ny rano mangatsiaka mba hanesorana ny sarontava. Ny rano mangatsiaka dia manampy amin’ny fanakatonana ny mason-koditra
5. Aorian’izay, dia afaka mampiasa irony crème fampiasanao mahazatra ianao raha ilaina
FANAMARIHANA
Ampiasao amin’ny faritra kely amin’ny vatana aloha hisorohana raha misy mety tsy fahazakana
Hasainay ianao hanaraka hatrany ny Pejy raha te hisitraka fifampizarana mahasoa maro
Mpampiofana: Malagasy Mandroso
Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA

Articles recommandés

[ « Fikorontan’ny Fo: Fantaro ny Antony sy ny Soritr’aretina » ]