4 days ago
Ianao ve mahafantatra FELAMBARIKA?
Manavotra eo amin’ny Fiompiana ity zava-maniry iray ity, natao ho fitsaboana raha marary ary natao ho fisorohana ihany koa, ka tsara ny hiresahantsika azy androany
Misy fomba maro hampiasantsika azy, fa fomba iray ity, azonao hampiasana azy ho fisorohana ny biby tsy tratry ny aretina ankoatry ny fitsaboana
1. Hamainina ny ravina Felambarika na ilay voany iny, tsara hamainina amin’ny maloka
2. Totoina ho vovony aveo na potehina
FOMBA FAMPIASA AZY
—————————————
1 – Afangaro amin’ny sakafo
2 – Na afangaro amin’ny rano fisotro
3 – Na afafy ao amin’ny tranon’akoho
FANAMARIHANA
Tsara raha atao indray mandeha isan-kerina’dro eo ny fanaovana azy kanefa ilaina voalanjalanja tsara ny fampiasana azy eo amin’ny sakafo
Manasitrana sady misoroka aretina maro ny Felambarika, toy ny: aretin’ny taovam-pisefoina, taovam-pandevonan-kanina, aretin’ny oditra ary miaro ireo biby kely toy ny parasy, tsingaongaotra sns
AHOANA IHANY KOA NY FOMBA FAMPIASANAO AZY HAFA? SORATY EO AMIN’NY KAOMANTERA ÀRY HOENTINTSIKA HIFAMPIZARANA E
– Mpampiofana: Malagasy Mandroso
– Mpiaramiasa: Tranombarotra LIDA Anosibe
#FiofananaMatihanina #Antananarivo #Antsirabe #FifampizaranaTraikefa #FanangananaAsatena
Felambarika: Un Allié Essentiel pour Votre Élevage
