9 hours ago
DINGANA 5 MBA HAHITANA HEVITRA TSARA RAHA TE HANANA BUSINESS
Betsaka ny olona mandefa publication any anaty groupe maro samihafa ireny, mangataka hevitra, manana fonds an’izao sy izao,…Tsy hitany na tsy hainy mampiasa azy ka androandron’olona fotsiny
. Izany mahatonga ahy androany hizara fomba famoronana Business hoantsika.
FANTARO NY ZAVATRA TINAO SY NY FAHAIZANAO
Eritrereto ny zavatra tinao atao sy ny fahaiza-manao ananao. Ny idée Business izay atambatrin’ny fitiavanao sy ny talentanao dia matetika maharitra sy hahatonga anao hanana risim-po kokoa hanatanteraka azy.
DINIHO NY TSENA
Halalino ny fironana ankehitriny sy ny filana mampikaikaika sy mampimenomenona ny olona eny ain’ny faritra misy anao. Mitadiava vahaolana amin’ny filana io dia iny no avadiho ho idée business anakiray.
MAMAHA OLANA
Ny idée business tsara indrindra dia miatrika olana manokana foana. Fantaro ireo défis mahazatra antrehan’olona ary mitadiava sy mamorona tolotra mifanaraka aminy.
MAKA AINGAM-PANAHY AMIN’IREO HEVERINAO CONCURRENT
Jereo ny ataon’olona izay heverinao ho mpifaninao aminao. Inona ny fahalemeny??? Misy fahafahana hanatsara ny produits na servisy atolotra ve ianao raha apitahana aminy???
ANDRAMO NY HEVITRAO
Alohan’ny hanombohanao tanteraka dia manaova aloa fitsapana na prototype. Mandraisa lesona hanitsiana sy hanatsara ny hevitrao mifototra amin’ny lafin’ny mpanjifa.
Hevitro manokana io zaraiko io fa ahoana ny fomba fiasanao amin’ny fitadiavana hevitra momba fandraharahana
Zarao ao aminy commentaire ny eritreritrao sy ny tsaikefanao raha toa sitrakao mba hanampiantsika ny hafa
#Tanteraho_ny_nofinao
5 étapes pour trouver une idée de business
