FANTATRAO VE ny fomba Fanamboarana YAOURT MAISON, tsotra nefa tsara? Ny Zavatra ilaina : Rano 1 litra vovon-dronono 10 sotro feno tsara na 200 grama siramamy 5 sotro na 100 grama yaourt (larony) pot kely 1 dia ampy (yaourt maison ihany no atao larony fa

FANTATRAO VE ny fomba Fanamboarana YAOURT MAISON, tsotra nefa tsara? Ny Zavatra ilaina : Rano 1 litra vovon-dronono 10 sotro feno tsara na 200 grama siramamy 5 sotro na 100 grama yaourt (larony) pot kely 1 dia ampy (yaourt maison ihany no atao larony fa

FANTATRAO VE ny fomba Fanamboarana YAOURT MAISON, tsotra nefa tsara?
Ny Zavatra ilaina :
Rano 1 litra
vovon-dronono 10 sotro feno tsara na 200 grama
siramamy 5 sotro na 100 grama
yaourt (larony) pot kely 1 dia ampy (yaourt maison ihany no atao larony fa ny Yaourt vita amin’ny orinasa ireny tsy mety)
Fanatanterahana azy:
Afangaro ny rano + vovon-dronono + siramamy
Apangotrahana
haroharoina tsy ankijanona satria mora mipetaka sy may ao ambany ny ronono vita avy amin’ny vovon-dronono.
Rehefa mangotraka dia esorina avy eo amin’ny afo, dia ajoboka ao anaty koveta misy rano mangatsiaka ny vilany misy an’ilay ronono mafana.
Haroharoina mandra-pangatsiaka azy
Ny antony izy apangatsiahina fa tsy avela hangatsiaka ho azy : Mba tsy hisaraka hitsikafona eny ambony ny taviny fa hifangaro tsara ao anatin’ny ronono. -> Manome akony ohatran’ny double crème izany.
Rehefa mangatsiatsiaka ilay ronono (tsy mangatsiaka loatra nefa tsy mafana loatra ihany koa fa tahaka ny maripan’ny ankizy voan’ny tazo ireny , dia arotsaka ny larony.
tandremo, raha ohatra ka mafana loatra ny ronono dia lasa mitera-drano ilay yaourt. Raha ohatra ka mangatsiaka loatra ny ronono dia sarotra mandry ny ronono.
Rehefa narotrsaka ny larony ka nafangaro tsara dia zarazaraina ao anaty pot, dia alahatra anaty carton na glacière dia fenoina sy fonosina lamba matevina be dia be. Dia avela ao amin’ny toerana mafanafana.
Adiny 2 sy sasany any amin’ny tany mafana
Adiny 3 ka hatramin’ny adiny 4 any amin’ny tany mangatsiaka izay dia vita. Dia alefa ao amin’ny vata fapangatsiahana.
Misaotra betsaka dia mirary soa !
Mazotoa daholo ndray ary e
Malagasy ve ianao
Manasa anao hizara rehefa avy novakianao
aza adino ny manaraka ny pejy sao tsy aharaka lesona eo ianao

Mizara soa

Les commentaires sont fermés.